SAMANTHA & KAYAH - INY ALINA INY (2001)

| SAMANTHA & KAYAH - INY ALINA INY (2001)

About SAMANTHA & KAYAH - INY ALINA INY (2001)

Album nivaoka ny taona 2000-2001 tany ho any novokarin'ny trano mpamokatra STUDIO MARS. Mitantara ny fiainana ara-tsosialy amin'ny ankapobeny. NIKO ROOTIKAL no beatmaker, ary tao amin'ny STUDIO MADLABEL no nandraisam-peo azy. Noraisim-peo sy noforonina tao anatin'ny Herinandro ny hira rehetra, satria moa ny trano mpamokatra no manome dead line. Somary Rap Ragga Roots Reggae ny nandokoana azy mba hiavaka kely amin'izay efa nisy hatrizay. Noraisin'ny malagasy tsara izy ary nitety faritra maro. Nahalafosana K7 maro izy ity ary tsy hainay ny tena isa marina fa dia niparitaka sy niely patrana izy. Isan'ny nanamarika anay ny fiakarana anstehatra nadritra ny concert “Génération Mars” natao tao Antsahamanitra,satria dia mozika tropokaly avy no tao ary izahay irery no nanao rap teto an'ivontany. Nitsangana ny olona ary nanala azy be.Niarahanay niasa tamin'ny olobe maromaro toan'i: BIG JO, GEGE RASAMOELY, HARRISON RATOVONDRAHONA sns...


Download album